<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Mason</author>
<title>Misaotra Anao 'zahay, ry Ray! FFPM242</title>
<lyrics>[V1]
 Misaotra Anao izahay,
 ry Ray !
 Fa tsy nafenina anay
 Izay tena sitrakao tokoa
 Mba hahazoanay ny soa.

[V2]
 Ka mitariha anay izao
 Handray ny toro-hevitrao
 Izay lazain'ny teninao
 Hanaoavanay ny sitrakao.

[V3]
 Ampahirato izahay
 Hahaizanay mahita anio
 Ny zava-mahagaga anay
 Ao amin'ny lalànao soa.

[V4]
 Ampianaro izahay
 Ho tia tokoa ny teninao,
 Ka hankatò ny didinao,
 Hanaiky hotapahinao.

[V5]
 Ny asan'ny Fanahinao
 Mba tanteraho aminay
 Hampiorina ao anatinay
 Izay lazain'ny teninao.</lyrics>
<hymn_number>242</hymn_number>
</song>